en Français
Teny fandraisana
Samy tohina amin’ny fahasahiranana diavin’ny Firenena malagasy sy ny isan’ankohonana amin’izao fotoana ny olo-manampanahy rehetra. Samy miandrandra fanarenana sy fihatsarana avokoa ho an’ny Firenena, ny fiaraha-monina, ny tenany sy ny taranany.
Miankina be dia be amin’ny fisian’ny andrim-pitondrana sy mpitondra mendrika ny hahatanteraka izany na tsia, ary miorimpaka eo amin’ny olom-pirenena tsirairay ny hisian’ny andrim-pitondrana sy mpitondra tena miray antoka tokoa amin’ny tombontsoan’ny Firenena sy ny vahoaka. Noho izany, manana anjara andraikitra sy adidy ny olom-pirenena rehetra eo anoloan’ny familiana ny Tantara.
Isan’ny fitaovana hanatrarana izany ny fisian’ny fifidianana mizotra ara-dalàna, anaty fahafahana maneho hevitra am-pilaminana sy fifanajana, ary mangarahara. Samy mahafantatra fa ny voka-pifidianana tsy mandresy lahatra tanteraka no loharanom-pisavorovoroana matetika. Andraikitra sy adidy lehibe araka izany ny hahatonga vokam-pifidianana tena mandresy lahatra ny rehetra mba hahamarim-pototra ny vokany, satria tena safidim-bahoaka mangarahara tokoa. Misy anjara toerana sarobidy ho an’ny olom-pirenena ny hahatanteraka izany, ary zony feno tsy azo andrimbinana izay. Amin’ny fanehoana ny safidiny ary amin’ny fanaraha-maso ny fanehoana ny vokam-pifidianana.
Sehatra ho an’ny olom-pirenena te handray ny anjara andraikiny amin’izany adidy masina izany ny Fikambanana Andrimaso, amin’ny alalan’ny fitaovana atolotry ny teknôlôjia vaovao, dia ny Fanaraha-maso ny fanehoana ny vokam-pifidianana isan’ambaratongany. Mila namana maro vonona ny handray izany andraikitra izany ny Fikambanana Andrimaso.
Manantena fa tsy diso fiantefa ny antso natodika taminao ary mirary soa lalandava.
Malagasy
LE PROJET ANDRIMASO
Andrimaso est une association à but non lucratif au service des citoyens. Son objectif est de vérifier et de promouvoir le déroulement d’éléctions libres et transparentes sur l’ensemble du territoire malgache.
Après 3 ans de crise politico-sociale, il est impératif que le renouveau démocratique s’appuie sur des bases solides. La signature d’un accord politique (en pdf) et la formation d’un gouvernement d’union nationale doivent conduire à la tenue prochaine d’élections présidentielle et législative. Les enjeux historiques de ces échéances appellent véritablement un renouveau démocratique dont l’expression citoyenne libre sera l’étendard. La participation au vote ainsi que le respect du verdict des urnes seront le gage d’une concorde nationale retrouvée entre les citoyens et leurs institutions.
C’est pour répondre à l’exigence de légitimité du scrutin que l’association Andrimaso est née. Afin de restaurer la confiance des citoyens dans la consultation démocratique et de parer aux risques de troubles post-électoraux, Andrimaso désire impliquer la société civile dans la surveillance du processus électoral.
Andrimaso, en tant qu’observateur indépendant, se propose d’offrir une plateforme de suivi des résultats afin de garantir le respect de l’expression citoyenne.
Rejoignez-nous dans ce projet !
L’équipe d’Andrimaso.